Fanatsarana ny fifaninana hidirana ho mpianatra ho mpitsara sy mpiraki-draharaha.
Sarotiny dia sarotiny amin’ny hisian’ny fifaninana madio sy mangarahara ny minisiteran’ny fitsarana. Tanjona ny hisian’ny fanavaozana eo anivon’ny tontolon’ny Fitsarana sy ny fitokisan’ny vahoaka azy ireo. Miatomboka any amin’ny sekoly manofana ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha no tokony havaozina mba hialana amin’ny kolikoly isan-karazany. Fitaratry ny tontolon’ny asa ho avy mantsy izany. Izany indrindra no anton’ny hisian’ny fanavaozana eo amin’ny fanatanterahana ny fidirana ho mpiofana ato amin’ity sekolim-panjakana etsy Tsaralalana ity. Tsikaritra mantsy fa nisy ny tsy fahamatorana teo amin’ny fanatanterahana izany taona maromaro nifandimby izay. Maro ireo mpifaninana no mitaraina amin’ny tranga maro samihafa vokatry izany. Tao ireo fanadinana naverina sy nofoananana vokatry ny siosion-dresaka momba ny kolikoly. Raha ho an’ity taona ity araka izany, hotanterahina eto Antananarivo avokoa ny foiben-toerana hanaovana ny fanadinana handraisana mpianatra ho mpitsara. Antony nandraisana fepetra manokana ny fisian’ny tsy fahamarinana any amin’ireo toerana maro samihafa. Hiakatra eto andrenivohitra avokoa araka izany ireo maniry ny hanao ny fifaninana hoy ny talean’ity sekoly ity. Miisa 40 moa ireo mpianatra horaisina amin’ity taona ity. Tsikaritra fa tsy ny fifaninana hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha ihany no ahitana olana, fa maro ihany koa ireo fanadinam-panjakana maro no betsaka mpitaraina nohon’ny kolikoly. Manimba ny asam-panjakana anefa izany.
Fanilo Rarivoarilala
