PolitiqueTsidika

HCC : Voafidy ho filoha vaovao i Rakotoarisoa Florent

Zokiolona indrindra eo amin’ireo mpikambana miisa 9 vaovao i Rakotoarisoa Florent. Tsikaritry ny maro sahady dien’ny ety am-piandohana anefa ny fitovian’ny anarana teo amin’ny filoha teo aloha, i Rakotoarisoa Jean Eric, sy ity filoha voafidy vaovao ity. Izy araka izany no hitantana ity handrim-panjakana ity mandritran’ny 7 taona. Fanapahan-kevitra izay efa somary nampoizin’ny rehetra ity valim-pifidianana ity. Miisa valo ireo mpikambana rehetra niatrika izany, tsy anisan’ny niatrika kosa anefa ny mpikambana iray noho ny voalaza fa antony ara-pahasalamana. Tsy maintsy nanao izany fifidianana izany ireto mpikambana ireto nohon’ny voalazan’ny lalàna fa fahataperan’ny fe-potoana tokony haha voafidy azy ireo, izay 21 andro ihany. Olona tsy vaovao intsony eo amin’ny sehatry ny fitantanana andrim-panjakana ity filoha vaovao lany ity. Efa nisehatra teo amin’ny fandraisana andraikitra ambony ho an’ny firenena Malagasy ihany koa izy. Anisan’izany ny maha ambasadaorin’i Madagasikara tany Canada azy. Efa tompon’andraikitra tao amin’ny minisitry ny atitany tamin’ny andron’ny tetezamita aryanisan’ny nikarakara ny fifidianana tamin’izany. Tombotsoa hanany amin’ny maha filoha vaovao azy ihany koa ny naha mpikambana feno azy teo anivon’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenena taorian’ny fifanarahana ny 31 oktobra 1991. Iray amin’ireo namolavola ny lalampanorenan’ny Repoblika fahaefatra amin’izao fotoana izao ny tenany. Ny filankevitra ambonin’ny mpitsara na ny CSM no nandany azy ho isan’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny HCC. Marihana fa mbola misy indray aloha ny famindram-pitantanana eo anivon’io andrim-panjakana io, izay hotanterahin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire