RMDM : Nitondra fanamarihana mikasika ny fitantanana ny firenena
Maneho hevitra hatrany manoloana ny zava-misy ary tsy mikombom-bava mihitsy ny rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara. Ankoatra ny fandaharana izay volavolain’izy ireo na ny Miara-manonja, mandray anjara feno amin’ny fanehoana hevitra mivantana hatrany izy ireo. Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny anefa, milaza ny handray fanapahan-kevitra hentitra manoloana ny ambaran’izy ireo ho fandikan-dalàna sy fanitsakitsahana ny lalampanorenana ataon’ny mpitondra izy ireo. Raha ny fahitan’izy ireo ny zava-misy ankehitriny, be loatra ny fandikana ny lalàm-panorenana sy ny fandikana ny lalàna velona amin’izao fotoana izao. Milaza ny tsy hohenoina izy ireo manoloana izany. Tsiahivina fa efa maro ny hetsika nokasain’izy ireo natao mba hanairana ny fitondram-panjakana. Tafidiitra tao anatin’izany ny hetsiky ny miara-manonja, ny tatitry ny solombavambahoaka. Vao tsy ela akory izay isika no naheno ny hetsika mahakasika ny fanapoahana sarom-bilany sy ny horakoraka, izay fomba hanairana ny mpitondra avokoa. Manakihana tanteraka ny momba ny vaksiny ihany koa ny antoko mpanohitra ankehitriny, manampy izany ny momba ny fasan’ny firaisam-po. Ankoatra ny fanambarana ataon’izy ireo moa, tsy mitsahatra ny maneho hevitra eo amin’ny haino aman-jery itambaran’ny Miara-manonja izy ireo isan’andro. Vokany, milaza ny handray fanapahan-kevitra hentitra indray izy ireo ankehitriny. Mampanontany tena ny tsirairay anefa izay fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo indray manoloana izany. Anisan’ny ahiahin’izy ireto ihany koa ny mety hivarinan’ny firenena any an-davaka noho io fanitsakitsahana ny tany tan-dalàna io.
