Torohevitra: Tsara ho an’ny fahasalamana ny misotro ranom-boasarimakirana mafana
Anisan’ny voankaso mitondra soa betsaka ho an’ny fahasalamana ny voasarimakirana. Maro be ny fomba azo ampiasana azy ary samy manana ny manavanana sy mahazatra azy ny tsirairay. Ny voasarimakiarana araka ny efa fantatsika dia manan-karena vitamin C, ary miady amin’ny aretina maro anatin’ny vatana, mandoro ny tavy ary mamono mikraoba maro.
Eto amin’ity indry mitoraka ity dia ny tombotsoa azo avy amin’ny fisotroana rano mafana nasiana voasarimakirana no zaraina amintsika. Maro ireo tombotsoa azo avy amin’ny fisotroana ranom-boasarimakirana; manala ny aty matavy izy, mampihena ny vatana ary manala ny tavy ratsy tsy ilain’ny vatana. Miaro amin’ny aretina homamiadana ihany koa, mampatanjaka ny hery fiarovana noho izy manan-karena vitamina C ary indrindra manampy amin’ny fandevonan-kanina.
Tena mety be ho an’ireo mpanao fanatanjahan-tena sy mitaiza vatana ny fisotroana ranom-boasarimakirana mafana, araka izany. Marihina moa fa tsy mitovy hny vokatra entin’ny ranom-boasarimakirana mafana sy mangatsiaka amin’ny vatana.
