Hanomboka amin’io taom-pianarana ho avy io ireo mpiasa vaovao
Hisitraka sahady ny toerana maha mpiasam-panjakana azy amin’ity taona ity ireo mpampianatra FRAM voafantina tamin’ireo 8 983. Hihatra manomboka amin’ny fidiran’ny mpianatra taom-pianarana 2021-2022 amin’ny 01 septambra 2021 izay rehefa voakarakara miaraka amin’ny ministera sasany ny taratasy fifanarahana arak’asa.
Mpampianatra 1 144 kosa nefa no efa eny anivon’ny ministera mpiara-miasa ny antontan-taratasiny ary hahemotra ny 30 jolay 2021 kosa ny fandraisana ny antonta-taratasy ho an’ireo izay vonona handray anjara amin’ny fifaninanana mahakasika ny fandraisana mpiasam-panjakana manokana na ny « recrutement spécial » indray. “Noho ny fahasarotana amin’ny fakàna ny « équivalence » dia tsy voatery asiana ny fangatahana” kosa hoy ny tompon’andraikitra. « Natao izany mba hitsinjovana ireo any amin’ny faritra afaka maka fanampim-panazavana satria asa masina ny fampianarana », hoy fanamafisan’ny ny tale misahana ny maha olona (DRH) eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena, SENDRADILIFERA Eluidoni Masimbonjy.
« Noho ny habetsahan’ny mpampianatra FRAM no nahatonga ny fahatarana kely teo amin’ny fikarakarana ny fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana, efa an-dàlam-panatanterahana izany ny eo anivon’ny ministera ankehitriny” hoy izy hatrany.
Hasina Rasamimanana
