Tonga ny andiany faharoa amin’ny vaksiny
Nigadona ny talata folakandro teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny vaksiny Johnson & Johnson. Mahatratra 302 750 fatra izany, izay fanomezana avy amin’ny governemanta Amerikana. Ny Covax no niandraikitra ny fitaterana sy ny fitsinjarana izany niala tany Etats-Unis ho eto an-toerana sy ho amin’ireo firenena Afrikanina.
« Vaksiny tsindrona indray mandeha tsy ilana famerenana ity Johnson & Johnson » raha ny fanazavana. « Hiarovana ny vahoaka Malagasy amin’ny valan’aretina ity vaksiny ity » hoy ny teny nentin’i Amy Hyatt, mpiandraiki-draharahan’ny masoivoho Amerikanina eto an-toerana teny Ivato. Nanamafy ihany koa ny mpiandraiki-draharahan’ny masoivohon’i Comores fa « entina hanenàna ny sakana hanarenana ny toe-karena ihany koa izany ».
Tonga nanotrona ny fotoana ihany koa ny Ministry ny Raharaham-bahiny Dr Tehindrazanarivelo Djacoba Oliva, ny Solon-tena maharitry ny Unicef, Michel Saint-Lot ary ireo talen’ny kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Ampahany amin’ny fatra 25 tapitrisa natokana ho an’i Afrika avy amin’ny firenena amerikanina ity tonga eto Madagasikara ity. Afaka hisitraka izany avokoa ary ve ny vahoaka Malagasy sa ho ferana indray ireo hisitraka izany ?
Hasina Rasamimanana
