Hankalazaina ny andiany voalohany amin’ny « Zoma à l’Université »
Tontosaina isaky ny zoma faran’ny volana ny « Zoma à l’Université » manomboka ny zoma 30 jolay ho avy izao. Eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny andiany voalohany. Ahitana slam, sy fampisehona misokatra ho an’ny rehetra, ny kabary, ny dihy sy fampisehoana rap izay ho ataon’ireo mpianatra mpakanto fanta-daza toy i Geoscar, Eklyps, Newton.
Eo amin’ny « piscine » Ankatso no hanaovana izany manomboka amin’ny roa ora izay natokana indrindra ho an’ireo mpampianatra mpiakroka sy ny mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite ary ireo mpianatra. « Izy ity dia ahafahana mampialavoly ireo mpisehatra rehetra eto amin’ny Oniversite na dia indray mandeha ao anatin’ny volana aza, ny zoma ahateo efa famaranana ny herinandro » hoy ny mpikarakara.
« Mahafinaritra ny hetsika tahaka izao satria miteraka serasera betsaka eo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra izay tena tokony hifandray indrindra indrindra » hoy ny avy ao anivon’ny Anjerimanontolo. « Rehefa reraky ny fianarana iny dia mba mivazovazo sy mialavoly kely tahaka io amin’ny zoma io » hoy i Safidy, mpianatra eny amin’ny Oniversite.
Manoloana ny covid -19 anefa dia ilaina hatrany ny mba hanajana ny fepetra manoloana ny mety ho fiparitahany. Tsara ihany koa ny hetsika ara-kolotoraly tahaka izao satria mampivoaka kely ny tontolon’ny anjerimanontolo amin’nyv fianarana.
Nicole Rafalimananjara
