ActualitésTatitra

Togo : African Global Recycling, orinasa fanasokajiana fako tokana ao Togo sy Afrique andrefana

Orinasa natsangan’i Edem d’Almeida ny African Global Recycling. Orinasa fanasokajiana fako izy io izay miorina ao Lomé, ao amin’ny tanànan’i Tonkoin. Mbola orinasa tokana misahana io asa io ao Togo sy Afrique andrefana ny African Global Recycling raha ny fanazavana.

Karazana plastika, vy, hazo, taratasy, baoritra no mitotona ao amin’ny orinasa hoy i Edem d’Almeida ary ny fanambin’izy ireo ny fisokajiana ireo fako mbola azo ampiasaina ary mitady fiainana faharoa ho an’izany eo amin’ny tontolon’ny indostria. Isany mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo amin’izany ny ao Europe, Amérique Latine, misy vitsivitsy ihany koa ao Moyen-Orient ary ao amin’ny tsenam-paritr’i Afrique andrefana.

Mbola dingana hafa ihany koa ny fanangonana ny fako raha ny fanamafisany. Dingana ara-barotra mihitsy no arahana amin’izany hoy izy. Ho an’ny fampandehanana tsara io asa izay tafiditra ao anaty « économie circulaire » io dia manana tolotra hafa ny African Global Recycling. Isan’izany ny fandrafetana « business » ao Togo miaraka amin’ireo mpiantsehatra tsy miankina amin’ny fanangonana fako.

Laisser un commentaire