ActualitésTsidika

Alasora : Rava ny tambajotra iray mpivarotra rongony

Isan’ny tena antony iray lehibe mahabetsaka ny tsy fandriam-pahalemana ao Alasora ny zava-mahadimelina. Dimelin’ny rongony ny sain’ny olon-dratsy ka tsy mahalala hafa-tsy izay hanaparany ny heriny fotsiny, ka tsy mahay ny tsara sy ny ratsy ary ny mety sy ny tsy mety intsony.

Lehilahy miisa dimy no voasambotry ny zandary ary mbola nahitana rongony teny aminy. « Efa nahazo angom-baovao matetika izahay fa misy olona maromaro ao anatin’ny tambajotra mpivarotra rongony eto Alasora » hoy ny Zandarimaria ao Alasora. « Raha tratra tsikelikely tahaka izao ny mpamatsy ny rongony dia hisy fanantenana mihitsy ny filaminana eto amintsika satria vahoaka hendry daholo amin’izay no miaina eto fa tsy ireo mpandray zava-mahadomelina intsony » hoy i Arthur, mponina ao Alasora.

« Nalefa hiandry ny fotoana hitsarana azy ireto tratra ireto ka inoana fa ho hanatra ho an’ireo namany hafa mbola miafinafina any satria tsy misy afa-maina izany eto amin’ity tany misy fanjakana ity » hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. Nogiazan’ny zandary avokoa ireo rongony tratra sy ny fiara nampiasain’ireto olon-dratsy ireo ary nampidirina ambalan-tsazy. Antenaina fa hihena ny trangana tsy fandriam-pahalemana any an-toerana aorian’izao fahatratrarana ny olon-dratsy sasany izao ary irariana ihany koa tsy ho kivy an-dalana ireo mpitandro filaminana amin’ny fanafoanana ny ratsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire