Fandriam-pahalemana : Basy miisa 12 y bala 4 no nisy nanatitra tany Tolagnaro sy Ihosy
Mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny fitalean’ny fanompoam-pirenena sy fiandry manoloana ny tokony hanaterana ny basy tsy ara-dalàna any amin’ny tsirairay manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Basy miisa 12 sy bala 4 no nisy nanatitra tao Tolagnaro sy Ihosy. »Enjehin’ny lalàna ny fitazomana basy tsy ara-dalàna satria tsy maintsy hananana taratasy foana izay mitazona basy. Fotoana izao hanaterana ny basy tsy ara-dalàna izay tsy misy sazy fa ny fanaterana azy an-tsitrapo dia efa zava-dehibe » hoy ny avy eo amin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena. « Mbola mitohy ny fanentanana amin’izao fotoana izao manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Entanina hatrany hanatona ny biraon’ny Distrika hanatitra ny basy, na ihany koa hanavao ny taratasim-basy » hoy ny avy eo amin’ny Zandarimariam-pirenena. « Efa zava-dehibe ny fanoloran-tena tahaka izao ary mitondra reharehan’ny tanàna sy faritra mihitsy ny toy izao ka isaorana betsaka ireo efa nanatitra ny basiny sy ireo vao hanatitra” hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao Tolagnaro.Mampitombo ny tsy fandriam-pahalemana tokoa ny fiparitahan’ny basy, izay sakana lehibe tsy handrosoantsika, koa ny fanoloran-tenantsika hanatitra ny basy tsy ara-dalàna dia efa dingana lehibe iray ho any amin’ny fampandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
