ActualitésTsidika

Angovo azo havaozina: Maro ny azo hasolo ny angovo fampiasa ao an-tokantrano

Inona no hasolontsika ny fampiasana saribao mba hialana amin’ny fanapahana ny ala? Izany foana no fanontaniana mipetraka rehefa hanontaniana mahakasika ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Zary lasa olana izany ka tsy mety mahita vahaolana mihitsy fa mijanona amin’ny ady hevitra hatrany. Mbola sarotra tokoa mantsy ny hanova ny olona amin’ny mahazatra azy dia ny fampiasana ny kitay sy ny saribao rehefa mahandro. Fototra iray manimba ny tontolo iainana izany.

“Mbola ny 97% ny mponina no mampiasa ny hazo ho fandrehitra. Ahoana ny hatao hialana amin’ny fandripahana ny ala. Maro ny azo hatao fa mila mampiasa saina kely fotsiny. Ny ato amin’ny fikambananay izao dia mahakasika ny fanodinana ny fako ho lasa angovo no hataonay. Sady manadio ny tanàna no mampihena ny fandripahana ala”, hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ity Fikambanana mpanao Recyclage ity.

“Raha tsy hiteny afatsy ny masoandro izay hampiasaina hamelomana ireo fitaovana afahana mahandro isan-tokantrano dia mbola azo hatao ihany koa ny mampiasa ny rivotra . Ankoatra izay anefa na hatramin’ny maloton’ny olona aza dia efa hitan’ireo manam-pahaizana ny ahafahana mampiasa azy. Mbola maro ny hevitra azo hatao fa mbola ilaina fandinihana lalina izany ary mila hianarana tsar any zavatsoa sy ny lafy ratsy entin’ireny hevitra ireny”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Angovo

Io tontolo iainana io no voalohan-karena hitambaran’ny Olombelona rehetra. Ny fananana azy io ihany no hahafahana misakafo. Ilaina be tokoa noho izany ny ala mba hiarovana sy hikolokoloana azy tsy ho simba ka hiteraka tsy fahasalamana. Ankoatra ny tsy fahasalamana anefa dia mbola mety hiteraka loza maro hafa ihany koa ny fanimbana azy ka izay indrindra no maha zava-dehibe ny fikarohana vahaolana mba hahafahan’ny olombelona rehetra indrindra fa ny Malagasy ny angovo azo havaozina.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire