Fiompiana : Mpitsabo biby miisa 47 nahazo fanamafisana fahaiza-manao.
Mpitsabo biby na « vétérinaire » miisa 47 nahazo fampitomboana fahaioza-manao avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mpisehatra avy ao amin’ny tambazotran’ny #MADSUR (Madagascar Animal Diseases Surveillance) avy any amin’ny faritra Diana, Sava, Sofia ary Betsiboka no nisitraka izany fampiofanana mahakasika ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny biby izany.
« Mba ahafahan’ny mpitsabo biby manatanteraka tsara ny iraka ataony dia niompana tamin’ny lohahevitra maro ny fiofanana toy ny fanaraha-maso eny amin’ny toeram-pamonoana biby, ny fanaraha-maso ny valan’aretina sy ny fanadihadiana ny aretin’ny biby sy ireo aterina mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mpanjifa, ny fifehezana tsara ny fikirakirana ny rindranasa fanangonana angon-drakitra, teo ihany koa ny famantarana ny aretina samihafa », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
« Ahafahanay mampitombo ny asa tokony hataonay sy mampiakatra ny lentan’ny vokatra avy amin’ny biby fiompy sy azo hoanina ny fampiofanana satria anjara asanay ny manara-maso azy ireny. Tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa no hapetraka aminay amin’ny alalan’izany ka izay indrindra no ilaina ny fampiharana azy eo amin’ny tontolo rehetra misy », hoy ny solontenan’ireo Mpitsabo biby nanatrika ny fampiofanana.
Mikendry ny hiantohana ny fiarovana ara-tsakafo, hampitombo ny fiambenana amin’ny aretin’ny biby ary hisorohana ny fatiantoka ara-toekarena araka izay azo atao no tanjona lehibe hotratrarina amin’ny fanatanterahana izany hetsika rehetra izany. Ilaina hatrany noho izany ho an’ny mpanjifa ny mijery ny vokatra tena voaara-maso tokoa eny anivon’ny tsena eny.
Miora Raharisolo
