Faritra Analanjirofo: Nianjery ny tsagambaton’ny mpanakanto Jean Freddy
02 septembre, 14h00, Tsy fantatra mazava ny antony nampianjera ny tsangam-bato fahatsiarovana ny mpanakanto Jean Freddy tao amin’ny faritra Analanjirofo, omaly, na vokatry ny sotasotan’olon-dratsy na fahavoazana vokatry ny foto-drafitr’asa nanamboarana azy. Hita efa nitongilana ihany koa eo akaikiny ny tsangambaton’ny mpanakanto Dede de Fenerive. Misokatra ny fanadiadiana mahakasika izany ankehitra, manameloka tanteraka ity zava-misy ity ny ministera mpiahy ny serasera sy ny kolontsaina.
