Actualités

Bongatsara: trafikana rongony mahery vaika 26.4 kilao saron’ny mpitandro filaminana

02 septembre, 15h00, Rongony mahery vaika, irony “cannabis” irony no saron’ny polisin-dalana teny Ambatobevohoka, kaominina Bongatsara, ny faran’ny volana aogositra lasa teo. Sarona nandritra ny fisavana ny taxibrousse, mampitohy an’I Vangaindrano sy Ambilobe, nitondra azy, izay nafenina tao anaty gony miisa fito ny cannabis milanja  26.4 kilao. Voaroiroy ary efa notanana am-ponja vonjimaika ny mpamily sy ny mpanampy ny mpamily ity izay voalaza mpanao kolikoly amin’ireo zandary.

Laisser un commentaire