Maurice : Nihena ny vidin’ny lasantsy
Nihena 5 Roupies (500 Ar) ny vidin’ny lasantsy ao amin’ny nosy Maurice. Fanampahan-kevitra izao mahafaly ireo mpanjifa izany ao an-toerana. Raha ny fanazavan’ireo mpahay toekarena ao an-toerana dia manamaivana ny tetibola isam-bolana ho an’ny tokantrano izany.
Etsy ankilany kosa nefa dia tsy nihetsika ny vidin’ny « diesel ». Ny ankahamaroan’ireo fiara mpitondra entana na avy amin’ny fambolena na indostrialy nefa dia mandeha amin’io solika io avokoa ary isany fototra ny famokarana angovo izany. Manoloana dia tsy hisy fiantraikany amin’ny fanamaivanana ny vidin’ny famokarana sy ny fitaterana io fihenam-bidy io.
