Tsidika

Lalam-pirenena faharoa : hiverina amin’ny laoniny aorian’ny13 Jolay

Nanomboka ny 24 Jona dia  tapaka ny lalam-pirenena faharoa eo amin’ny PK 340+950. Raha ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny asa vaventy dia ametrahana pipeline amin’ity lalana ity ka izay no antony tsy maintsy nanapahana azy. Haharitra 20 andro ny fahatapahana, izany hoe ho tapaka hatramin’ny 13 Jolay.

Nanambara ny tompon’andraikitra fa efa nisy ny lalana vonjimaika efa voahomana mialoha izao fanampahana izao  ary efa afaka ampiasain’ireo mpampiasa lalana. Mety hisy noho izany ny fanelingelenana  samihafa toy ny fitohanan’ny fifamoivoizana vokatr’ity asa ataon’ny Ministera ity.

« Somary manahirana ihany ho anay mpitondra fiara vaventy izao fahatapahan’ny lalana izao satria ny fiaranay lehibe mifidify lalana raha oharina amin’ny fiara taxi-brosse.. Ezahana tsy atao chargé be  fotsiny ny fiara sao sanatria tsy mety amin’ilay déviation vaovao io .» hoy i Faly mpamily

Ny fanaovana asa na fikitihana ny fananana iombonana itony dia ilaina ny fiaraha-miasan’ny olom-pirenena tsirairay na izany eo ami’ny fanatanterahana ny asa na eo amin’ny fikojana azy.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire