17 ireo vehivavy mpandraharaha Malagasy no tafiakatra amin’ny WIA54
Vehivavy mpandraharaha Malagasy miisa 17 no tafiditra tao anatin’ireo vehivavy 540 hiatrika ny famaranana amin’ny fandaharan’asa « Woman In Africa » na ny WIA54 2021. Tsiahivina fa niisa 4 000 ireo mpandray anjara tany am-boalohany.
« Ity fandaharan’asa ity dia efa natomboka ny taona 2017, izay entina hanohanana ireo vehivavy mpandraharaha aty Afrika ary isan-taona dia vehivavy mpandraharaha 54 avy amin’ny firenena 54 no hahazo fanohanana main’ny alalan’ny fanofanana sy ny serasera ary omena fifandraisana » hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ity fandaharan’asa ity. « Tsara tokoa ny toy izao satria betsaka ho hisitraka tombony amin’izao hetsika izao mba hampivelarana ny vehivavy » hoy i ny vehivavy iray mpandray anjara. « Manome sehatra ny fampananan’asa ny tontolon’ny fandraharahana ka tsy tokony ho olana intsony ny tsy fisian’ny asa raha toa ka miditra amin’ity sehatra ity avokoa ny rehetra » hoy i Faly, mpampiofana ho mpandraharaha eto Madagasikara.
Reharehan’ny firenena tokoa ny tahaka izao satria porofo fa tsy lany manam-pahaizana sy mpikaroka ny nosy. Efa manomboka mahazo vahana eto amin’ny firenena tokoa ny fandraharahana, ka irariana ny mba hiroboroboan’izany bebe kokoa.
Nicole Rafalimananjara
