Mirososo amin’ny fanarenana ny toe-karena ny any amin’ny faritra Antsinanana
Anisan’ireo nitondra takaitra tamin’ny fidiran’ny valan’aretina covid-19 tahaka ny faritra hafa ny tany amin’ny faritra Antsinanana. Miroso tsikelikely amin’ny fanarenana ny toe-karena noho izany ny tompon’andraikitra.
Atao laharam-pahamehana amin’izany ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny asa-tanana sy ni fizahantany any an-toerana. Hisy ny hetsika hokarakaraina alohan’ny faran’ity taona 2021 ity, tanjona amin’izany ny fanarenana ny toe-karena izay nitotongana taorian’ny fisian’ny aretina. Hisy ny tsenabe hokarakaraina any Manambato, ny volana novambra ho avy izao ho fanarenana ny fizahan-tany.
Tandrify izany indindra, efa madiva ho vita ankehitriny ny fanamboaran-dalana mampitohy an’ny Brickaville sy Manambato izay toerana mahasarika mpizaha tany be indrindra any amin’ny faritra Antsiranana. »Efa fotoana mety izao hiverenana andraisana indray ireo mpizaha-tany anatiny ho fanarenana ny toe-karena sy ho famerenana indray ireo mpisehatra rehetra andray ny asany » hoy i Manjaka, mpiasa eo amin’ny fizahan-tany. « Anisan’ireo nanana mararin’ny covid-19 betsaka indrindra ny faritra Antsiranana raha tsihahivina, tokony ho atao laharam-pahamehana noho izany ny firosoana amin’ny fanaovam-baksiny faobe ny mponina » hoy i Hajaina, fianakavian’ny olona iray matin’ny covid-19.
« Hohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana mandritra ny hetsika rehetra kasaina atao eto amin’ny faritra Antsinanana » hoy i Nary, tompon’andraikitra mikarakara ny tsenabe. « Efa tsy mitoetra eto amin’ny fanjakana intsony ny hamehana ara-pahasalamana, noho izany fotoana mety izao hamerenana indray ny lazan’ny faritra eo amin’ny lafiny asa tanana sy ny fizahan-tany, na izany aza mbola manan-kery hatrany ny fanajana ny fihetsika sakana hisorohana amin’ny mety ho fiparitahan’ny aretina indray » hoy i Ravo, tale jeneraly eo amin’ny orinasa iray misahana ny fampandrosoana ny fizahan-tany.
Faritra maro no lasibatry ny aretina teto Madagasikara indrindra fa ireo faritra malaza amin’ny fisintomana mpizaha tany vahiny. Sarotra ny hanarenana indray ny toe-karena eto Madagasikara taorian’ny krizy, tsy vita anaty taona iray izany ezaka fanarenana izany, ka tsy tokony hamafy lainga ny vahoaka ny tompon’andraikitra isanisany amin’izany. Rava tao anatin’ny fotoana fohy ny fizahan-tany Madagasikara saingy taona maro no ahafahana manarina izany. Ankilany anefa tsy hita taratra ireo fampandrosoana misy eto amin’ny firenena. Azo antenaina ve ny mety mbola hiarenan’i Madagasikara indray mandritra ity taom-pitondrana Repoblika fahaefatra ity ?
Haingotiana Andriamihaja
