Nisolo tena ny Malagasy any Zambie ny CFFA
Nanainga ny 15 septambra teo nihazo an’i Zambie ireo Delegasiona ny « Ivon-toeram-piofanana momba ny baolina kitra Andoharanofotsy » na ny « Centre de Formation de Football Andoharanofotsy CFFA » izay hiatrika ny lalao miverina amin’ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF. Marihina fa ity Klioba ity no hisolo tena ny Malagasy amin’izany fifaninanana izany.
« Hifanandrina amin’ny Kabwe Warriors Zambianina izahay ny alahady faha 19 septambra ho avy izao » hoy i Rasoanaivo Titi, filohan’ny ligin’ny Baolina Kitra Analamanga. « Nomen’ny Ministera ny tapakilan’ny fiaramanidina ho an’ireo delegasiona mandrafitra ny CFFA ary nandray an-tanana ny ampahany amin’ny fivanihinianan’izy ireo any Lusaka, Zambie ary hirariana mba hitondra vokatra tsara sy hamerina indray ny ambompom-pirenena amin’ny alalan’ny fanatajahan-tena » hoy ny Minisitry ny fanatanjahan-tena sy ny tanora, Momad’Ali Hawel. « Vonona izahay haka ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka sy hitondra vao ny firenena amin’ny alalan’ny fandresenay » hoy i Tôta, filohan’ny CFFA. Manana roa andro noho izany ireto mpilalao ireto mialohan’ny tena lalao mba hanaovana ny fanomanan-tena.
Nicole Rafalimananjara
