ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Hasiam-panavaozana ny toeram-pitsaboana ao an-toerana

 Andalam-panavaozana ny toeram-pitsaboana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Hisy ny fanatsarana sy fanavaozana ny toerana mba ho mendrika ho an’ny mponina, araka ny voalaza.

“Ao anatin’ny ezaka izay ataon’ny kaominina amin’izao fotoana izao eto amin’ny CSB II Ambohimangakely, dia ireo efitra fandraisana marary no ho asiana fanatsarana. Eo ihany koa ny fanavaozana tanteraka ny efitrano anatiny sy ivelany ary ihany koa fanavaozana ny toeram-pivoahana, mba hanaraka ny fenitra” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“Efa ela niandrasana ny fanavaozana tahaka izao ny mponina. Anisan’ny mampijaly ny vahoaka, indrindra ireo mpivezivezy ety an-toerana ny faharatsian’ny foto-drafitr’asa eto izay efa tsy araka ny tokony ho izy intsony, indrindra fa ireo toeram-pivoahana” hoy I Tolotra, mpitondra marary.

Tanjona ao anatin’izao fanatsarana izao moa ny hanatsarana ny tolotra izay omena ny vahoaka ao anatin’ny kaominina, indrindra fa ny lafin’ny fahasalamana, izay voalohan-karena ho an’ny rehetra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire