Corée du Sud : Tena misy ilay saribakoly ao amin’ny horonantsary « Squid Game »
Mbola ambavan’ny maro amin’izao fotoana hatrany ny « Squid Game ». Anisan’ny marika iray lehibe ahafantarana ny horonantsary ilay saribakoly iray lehibe. Tena misy ity saribakoly ity raha ny fanazavana ary efa tany alohan’ny horonantsary. Ao amin’ny tranom-bakoky ny calèches Macha Land, ao Jincheon no misy azy.Tsy nampirantiana intsony ity saribakoly ity ary nosaronana, hoy ny tompon’andraikitry ny toerana Hankook Ilbo, natahotra fifanosehin’ireo mpakafy ny horonantsary hijery azy izy ireo raha ny fanazavany. Efa ahitana ity saribakoly ity ihany koa ao Philippines sy Séoul saingy i Netflix no nametraka azy.
