Japon : Fahatongavan’ny ekipa olympika avy any Australie
Tonga tao Tokyo ireo mpilalao softball avy any Australie ny talata 1 jona. Toy ny mpandray anjara rehetra amin’ny JO, nanaraka ny fepetra ara-pahasalamana izy ireo. Natao vakisiny fanefitry ny covid-19 ary nanaovana fizahana. Voamarina tamin’ny fahatongavany fa tsy mitondra ny tsimok’aretina coronavirus ny delegasiona rehetra. Ireo mpilalaon’ny ekipa avy ao Australie no ekipa voalohany amin’ny lalao olimpika. Nidina tao amin’ny seranam-piaramanidina Narita, akaikin’ny Tokyo, ny sidina nitondra ireo mpilalao 21 sy ireo mpiasa 10 tamin’ny 7 ora mahery 30 minitra teo. Feno hafaliana ireo mpilalao tamin’ny nahatongavany tany an-toerana. Ora vitsy taty aoriana dia niainga ho any amin’ny efitrano tao an-tanànan’I Ota, 100 kilometatra eo ho eo avaratra andrefan’ny Tokyo, ao amin’ny County Gunma ireo ekipa aostralianina nanao fanamiana maintso sy volamena.
