Maurice : Manomboka ny fanorenana trano 8 000 isa manerana ny nosy
Efa manomboka ny fanarenana ireo trano 8 000 isa manerana ny nosy Maurice. Hatomboka amin’ny fanorenana trano 800 isa ao Port-Louis Nord/Montagne-Longue ary Quartier-Militaire/Moka. Raha tsiahivina dia ny orinasa Nundun Gopee Ltd no nosafidian’ny New Social Living Development Company Ltd (NSLD) hanangana ireo trano ireo ary notohanan’i Steven Obeegadoo, praiminisitra lefitra sady minisitry ny trano sy ny tany nandritra ny fivoriana tao amin’ny antenimierampirenena izany.
Ankehitriny nefa dia niala an-daharana ny orinasa Nundun Gopee Ltd. Tsy olana goavana nefa izany hoy ny talen’ny NSLD. Misy orinasa 13 azo hisafidianana hanohy ny asa, raha ny fanazavany, ary hanomboka ny dingana hifantenana izay orinasa hanorona ny trano izy ireo. Raha tsiahivina kosa dia Rs 17 000 tapitrisa ny tetibola amin’ny fanorenana ireo trano 8 000 isa manerany ny nosy ireo.
