Guinée : Fipoahana dynamite nahafatesana olona maro.
Nanao fanambarana tao amina fahitalavim-pirenena ny filoha Gineana Teodoro Obiang Nguema ny alahady 7 martsa raha vao nitranga ny fipoahana tany an-toerana. Tao amin’ny faritry Afrika afovoany, olona dimy ambin’ny folo no fantatra fa maty hatreto ary 500 no maty taorian’ny fipoahana dinamita tao amin’ny toby miaramilan’ny Bata ity. Renivohitry ny ekonomika sy trano maro teo amin’ny manodidina no voakasika tamin’izany.
Vokatry ny tsy fitandremana teo amin’ireo mpiandraikitra amin’ny fiandrasana ity toerana fitobian-tsolika ao afrika afovoany ity no nitarika izao zava-misy izao araka ny nolazain’ny filoha hatrany. Ny fiatombohan’ny folakandro no niantomboka ny fipoahana, ary rakotra setroka mainty niainga avy ao amin’ny toby ny habakabaka. Ankizy maro no lasibatra nandritra iny loza mahatsiravina tao Bata iny, izay renivohitra mpamokatra solika sy entona fandrehatra “gaz” lehibe indrindra aty Afrika . Mbola miaina ao anaty fahantrana lalina ny ankabetsahan’ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana.
