PolitiqueTatitra

France : Nindaosin’ny fahafatesana ny solom-bavam-bahoaka Dassault Olivier

Namoizana ain’olona 2 ny loza an’abakabaka ny 7 martsa 2021 lasa teo tao Tourque toerana manakaiky an’ny Trouville-Sur-Mer ao Calvados. Manodidina ny tamin’ny enina ora hariva teo no voalaza fa nitrangan’ny loza.Raha iny vao hiainga iny ilay angidim-by no nisy ny fipoahana ka nahafaty ny solom-bavam-bahoaka avy ao Dassault Olivier sady kapiteny amina indostria malaza iray any an-toerana ihany koa. Ny mpanamory ilay angidi-mby kosa no faharoa tamin’izany. Raha avy niala sasatra toy ny fanaony isaky ny faran’ny herinandro izy no nitranga ny olana ara-teknika izay tsy tena fantatra loatra hatreto. 69 ity solom-bavam-bahoaka voafidy tao Oise ity izao nindaosin’ny fahafatesana izao ary namela kamboty 3 miandahy.Hatramin’izay, tsy nahitana olana ity angidim-by manokana mpitondra azy ity saingy izao niharan-doza izao.Efa misokatra ny fanadihadiana nanomboka androany alatsinainy.

Laisser un commentaire