Comores : Mpiasan’ny ADC 21 no najanona tamin’ny asany
Mpiasan’ny ADC (aéroports des Comores) no voaroaka tao amin’ny nosy noho ny halatra, fanaovana faktiora hosoka, fitsoahana ny asa sy fanodikodinana volan’ny fiantsonana fiara. Nanameloka io fandrohana io kosa ireo mpiasa 21 ireo. Manoloana izany dia nandalo teo alohan’ny fitsarana ny raharaha, ary ny mpitsara no hitondra ny teny farany manoloana ireo mpiasa 21 isa ireo amin’ny 4 febroary izao.
Nanazava kosa ny mpisolovavan’ireo mpiasa voaroaka ireo, Mzé Soilihi Kaambi fa tsy hanimba ny orinasa no tanjon’izy ireo. Ny fitandrovana ny tombotson’ny rehetra indrindra ireo mpanjifany izay voaroaka tsy ara-drariny hoy izy no tanjona.
