ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Tonga ireo fitaovana hikojana ny foto-drafitr’asa lalan-kely

Tonga tamin’ny fiandohan’ny herinandro ity ireo fitaovana entina hikojana ny tetik’asa lalan-kely III, izay sahanin’ny Association Tontolo Madio ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Hanampy ireo fitaovana efa nisy tao am-pela-tananavaovao ireo vaovao ireo enti-manatanteraka ny asa izay sahanina, raha ny voalaza.

“Taonan’ny asa ity taona ity ary ny fikambanana Tontolo Madio dia miasa hatrany ho an’ny tombotsoan’ny be sy ny maro. Efa niasa hatrany ny fikambanana teny amin’ny fokontany Namehana sy Antsahatsiresy, ary hitohy eny amin’ireo fokontany hafa izany” hoy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny fikambanana.

“Maro dia maro ny asa miandry ny fikambanana ary tsy tokony hiandry ela akory izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa. Maro ireo foto-drafitr’asa mila fanarenana isam-pokontany izay mila jerena manokana, indrindra amin’izao fahatongavan’ny fitaovana vaovao izao” hoy I Rogé, mponina ao Sabotsy Namehana.

Fokontany madio, tanàna mandroso, vahoaka salama; izay no tanjon’ity fikambanana misahana ny fanatanterahana ny tetik’asa lalan-kely ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ity. Ilàna fanentanana sy fiaraha-mientana amin’ny mponina ifotony ihany koa anefa izany mba hanamorana ny fanatanterahana ny asa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire