ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Mila fandaminana manokana ny mahakasika ny fitateram-bahoaka

Mila fandaminina manokana ny mahakasika ny zotra fitateram-bahoaka ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Miteraka savorovoro ho an’ny mpandeha ny fandaminana izay napetraky ny tomponan’andraikitra amin’ny fizaran’ny zotra roa, amin’izao fotoana izao.

“Araka ny fandaminana napetraky ny tomponandraikitra, izany hoe baiko ho fanatanterahana sy fandrindrana ny zotra dia mameno aloha ireo zotra mampitohy ny Fasika makaty Ambohimanambola, feno izy vao mameno indray ny zotra Ambohijatovo makaty Ambohimanambola. Izay no fomba fiasa vaovao nanomboka tamin’ny nampidirana io zotra vaovao io” hoy I Haja, mpamily ao an-toerana.

“Amin’ny lafiny iray tena tsy mety ilay fandaminana satria lalana samihafa no andehanan’ireo zotra ireo. Matetika eto, indrindra rehefa maraina tena milahatra ireo makany Ambohijatovo miandry ny fahafenoin’ny mampitohy Fasika vao afaka mameno kanefa tena tsy mety izay satria tsy mitovy ny lalana sy ny habetsaky ny olona mandeha” hoy I Tantely, mponina ao Ambohimanambola.

Raha tsiahivina, efa ho roa volana teo izao no nampidirana ireo zotra vaovao izay mampitohy ny lalana Ambohimanambola, Ankadindratombo ary Fasika ireo tomponandraikitry ny fitaterana sy ny kaominina, mba hanamora ny fivezivezen’ny mponina. Ankehitriny, ahitana olana sahady izany fandaminana vaovao izany ho an’ny mpampiasa ny zotra ao an-toerana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire