Vaksiny AstraZeneca : Nahazo fatra 200 000 avy amin’i France i Madagasikara
Tonga ny Alahady 15 Aogositra 2021 tao amin’ny seranampiara-manidina Ivato amin’ny alalan’ny Covax ny vaksiny Astrazeneca miisa 200 000 avy amin’ny France ho an’i Madagasikara. Niantohan’ny Unicef Madagascar ny fanaterana izany teto an-toerana. Ireo olona miisa 197 001 efa nisitraka ny andiany voalohany amin’ny vaksiny covishield/Astrazeneca dia efa afaka misitraka ny andiany faharoa izay ho tanterahina manomboka ny Talata 17 Aogositra 2021.
Ity hetsika vaksiny andiany faharoa ity dia ho tanterahina ao aminy “vaccinodrome” ao amin’ny Centre hospitalier universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHU JRA) hoan’Antananarivo ary ao amin’ny « centre thermal » sy eny anivon’ireo CSBII enina ao Antsirabe no hanombohana ny vaksiny. Manomboka ny alatsinainy 16 Aogositra no hanainga eto Antananarivo ireo vaksiny ireo ary hiparitaka manerana ny Nosy ka arakaraky ny fahatongavan’izy ireo isam-paritra ny fanaovam-baksiny.
« Araka ny efa nambara tany aloha, ireo olona 197 001 nisitraka ny andiany voalohany dia tsy mila misoratra anrana intsony. Ireto vaksiny vaovao voaray ireto dia fanampiny hamenoana ny andiany vaksiny voalohany nandritra ny hetsika vaksiny ny 10 Mai 2021 hatramin’ny 17 Jona 2021 » hoy ny Profesora Jean Louis Hanitrala Rakotovao, ministry ny fahasalamana tamin’ny andro nandraisana ireo vaksiny. Maro ny nanamarika fa tsy mitovy amin’ny vaksiny andiany voalohany ity tonga ity. Ny andiany voalohany amin’ny Covishield nivoaka avy amin’ny vaksiny Astrazeneca dia novokarina avy ao Inde nataon’ny Serum Institutr of India. Raha ny andiany faharoa kosa dia novokarina tany Royaume Uni nataon’ny Wockhardt Biotech Park.
Notsindrian’ny Ministry ny fahasalamana tamin’izany fa na tsy mitovy anarana aza ireo vaksiny dia iray sy mitovy ihany ny akora nanamboarana azy ireo. « Tsy niova ny karazana vaksiny nampiasaina tamin’ity andiany faharoa ity » hoy ny Talen’ny Programa fanaparihana ny vaksiny (Directeur de Programme Elargi pour la Vaccination (DPEV)), Dr Rivomalala Rakotonavalona. Mikasika ny vaksiny Johnson & Johnson mitohy ny fisoratana anarana ao amin’ny alalan’ny tranokala (site) na amin’ireo seraseram-pifandraisana telo (Telma-Orange-Airtel). Ao amin’ny kianja fanaovam-baksiny ao Befelatanana no hanatanterahina azy.
Sitraka Rajaonarivony
