SocialTsidika

Nirehitra ny afo tao amin’ny tsenan’i Marolambo

Nitrangana hain-trano indray tao Marolambo ny alahady. Kilan’ny afo ny trano 25 tafo tao Marolambo, fokontany Antanambao, tsy misy noraisina ny trano fivarotana sy trano fonenan’ireo niharan-doza, tao anatin’izany ny Croix Rouge. Nantsoina avy hatrany ny mpitandro filaminana teny an-toerana ka avy hatrany dia tonga ary nanao ny fizahana ny zava-nitranga. Niara nifarimbona tamin’ny famonoana ny afo ny mponina ka ora roa taty aorian’izany vao voafehy ny afo.

« Tsy fantatra mazava aloha ny tena antony nihitaran’ny afo fa vao miandry ny fanadihadiana »hoy i Sarah, mpivarotra. « Rehefa natao ny premier constat dia tsy nisy ny aina nafoy ary tsy nisy ny maratra. Olona 120 eo eo kosa no tsy manan-kialofana » hoy ny avy amin’ny zandarimaria. « Tsy mbola mipetraka tsara ny fisian’ny drafi-panajariana mazava mikasika ny tanàna eto amintsika, ka miteraka hain-trano matetika. Tsy manaja ny rafitra tokony arahina ny tompon’andraikitra sy ny mponina. Eo ihany koa ny tsy fanarahan-dalana eo amin’ny mpampiasa herinaratra sy ny tsy fitandremana isan-tokantrano izay antony faharoa mampitombo izany » hoy i Diamondra, mpandinika fiaraha-monina.

Nirongatra ny hain-trano tato ho ato. Anisan’ny antony lehibe voalohany amin’izany ny tsy fitandremana ankoatran’ny hasomparana sy ny tsy fanajana fotodrafitrasa. Amin’izao habetsahan’ny hain-trano eto Madagasikara izao: ilaina ny fanaovana fanentanana amin’ny fiarovana ny hain-trano. Mila mitandrina foana ny tsirairay na dia ao anatin’ny fahamafisan’ny fiainana aza.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire