ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Mitaraina ireo mponina momba ny fiasan’ireo zotra mpitatitra

Tsy mbola mivaha ny olan’ny fitaterana ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Mampijaly ireo mpandeha ihany koa amin’izao fotoana izao ireo zotra H vaovao, izay mampitohy an’ny kaominina Ambohimangakely sy ny kaominina Ankadikely Ilafy.

“Tena mijaly izahay mponina sy mpandeha amin’ny ataon’ireo mpamily. Manao tapa-dalana ireo mpitatitra rehefa hariva, tsy misy tonga any amin’ny faran’ny fiantsonana fa miverina an-dalana avokoa. Mijaly ny mpandeha satria sady tratra hariva, ny fiara tsy misy” hoy I Mamy, mpampiasa ny zotra.

“Raha ny resaka fitaterana eto efa olana nipetraka hatramin’ny taona maro. Hatramin’izao tsy mbola nisy vahaolana niainga na napetraky ny tomponandraikitra. Manao izay tiany ireo mpitatitra, ary tsy misy ny fanarahan-dalàna” hoy I Noely, mponina ao Sabotsy Namehana.

Manao antso avo amin’ny tomponandraikitry ny kaoperativa araka izany ireo mpandeha sy mpampiasa ity zotra ity. Mangataka ihany koa izy ireo ny fampiharana ny lalàna sy ny fanasaziana ireo fiara tsy manara-dalàna.

Laisser un commentaire