ActualitésTsidika

Soavinandriana: Ho vita tsy ho ela ny Oniversiten’Itasy

Efa andalam-pahavitana ny Oniversiten’Itasy ao Soavinandriana. 98 % amin’ny asa no efa vita, ary hotokanana tsy ho ela izany.

« Iray amin’ireo Oniversite manarapenitra natsangana any amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara ity Oniversite eto Soavinandriana ity. Hanana Oniversite azy manokana amin’izay i Itasy. Hotokanana tsy ho ela izany » hoy ny Tompon’andraikitra. « Hamaha ny olan’ny mpianatra sy hanamaivana ny fahasahiran’ireo ray aman-dren’ny mpianatra vao afaka Bakalôrea ao amin’ny Faritra Itasy ny fahavitan’ity Université ity. Tsy voatery ho sahirana handeha ho any Antananarivo na any alavitra intsony ireo mpianatra rehefa hamonjy anjerimanontolo » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Azo lazaina ho raitra tokoa ity Oniversite ity. Ahitana ireo fitaovana maro fampiasa any ivelany sy ny trano fikarohana ary trano fatoriana ho an’ireo mpianatra avy any alavitra. Hirariana ho tena hamaha ny olana ho amin’ny fampianarana ambony any amin’ny faritra Itasy tokoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire