ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nohentanina ireo mpivarotra ho fandaminana ny fifamoivoizana

Nirotsaka an-tsehatra nandamina ireo mpivarotra teny Mahazo ireo tomponandraikitra sy ny polisy kaominaly avy ao Ambohimangakely. Nandamina sy nanentana ho fandaminana ny fifamoivoizana izy ireo nandritra izany.

« Nidina nijery sy nandamina ary nifampiresaka tamin’ireo mpivarotra manamorona ny arabe ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina. Nalamina ireo mpivarotra mba tsy hivoaka ny arabe, noho izy ireo miteraka fitohanana. Nohentanina ihany koa mba ho tomponandraikitra,indrindra eo amin’ny lafin’ny fahadiovana » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

« Ny fanentanana tahaka izao dia mila atao matetika ho an’ireo mpivarotra ety an-toerana. Ary mila arahi-maso ihany koa mba hitoetra sy hiatra ny filaminana ».hoy i Tantely, mpitatitra.

Anisan’ny toerana maro mpivezivezy sy mpivarotra ny eny Mahazo. Matetika no haraisana fitaraina ny momba ny fitohanana sy ny tsena eny an-toerana. Anisan’ny vahaolana mahomby ny fanentanana sy fandaminana ireo mpivarotra.

Laisser un commentaire