SocialTatitra

Afghanistan: Nahafaty olona maherin’ny 200 ny fiakaran’ny rano any avaratr’ity firenena ity

Faritra iray any avaratr’i Afghanistan no lasibatry ny fiakaran’ny rano. Tao anatin’izany, efa mahatratra 200 ireo olona maty noho ity tranga ity, araka ny nambaran’ny fikambanana misahana ny fifindramonina any an-toerana. Ny fisian’ny orambe matetika tany amin’ity faritra ity no voalaza ho antony nahatonga izany, eo ihany koa  ny tsy fahampian’ny fiomanana teo amin’ireo mponina amin’ny fihavian’ny loza. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, mbola nanohy ny fikarohana ireo olona ahiana ho tavela na voatsindry any anaty fotaka ireo sampana mpamonjy voina tany an-toerana. Nanomboka ny tapaky ny volana aprily no namely tamin’ny faritra maro tany Afghanistan ny orambe mikija. Maro ireo faritra difotry ny rano tao anatin’izany ary anisan’ny namotika toeram-pambolena ihany koa, ity farany izay fiveloman’ny mponina.

Laisser un commentaire