SocialTsidika

Ny fanajana ny asa no tena ilain’ny firenena.

Tsy misy ho afa-maina ny mpanao ratsy sy ireo nanakorotana teto amin’ny firenena. Niteraka korontana tokoa indrindra ny tany Toamasina ny resaka vatsim-pianarana izay voalaza fa efa nomen’ny fanjakana tamin’ny volana Jolay 2020. Nahodinkodina anefa io volan’ny mpianatra io ary nampiasaina tamin’ny zavatra hafa, raha ny filazan’ny mpitondra fanjakana. Voarohirohy tamin’izany ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Zafitody Conscient, ka voatery natsahatra tamin’ny asany. Izany no tapaka nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 03 Martsa teo. Fitantanana tsy mazava, tsy fifehezana ny Oniversite, fanodikodinana ny volan’ny mpianatra, ny fivarotana ny fiaran’ny Oniversite, izany rehetra izany no vesatra hiapangana azy amin’izao raharaha izao. Azo lazaina ho fototry ny korontana araka izany ity filoha ity izay nitarika tamin’ny nahafatesan’ilay mpianatra iray mihitsy aza, raha ny voalazan’ny mpitondra fanjakana. Mila faizina mafy ny toy izany fa sady anatra ho an’ny sasany mba tsy hanao toy izany sy anatra ho azy tsy hamerina ny toy izany intsony ihany koa satria manimba ny firenena tokoa. Mandroso ny firenena raha mahafehy sy manao ampamaharinana ny asany ny tompon’andraikitra tsirairay, ny vahoaka mijanona amin’ny maha vahoaka azy, ny mpitondra manao ny asa fanompoana vahoaka sy ny mahasoa azy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire