SocialTsidika

Iza tokoa moa ny « BAP » ?

Mahazo vahana sy hita matetika eto Madagasikara ny karazana fangalarana sanganasan’olona iray. Mety ho mpihira izany na mpanoratra na mpanao asa tanana sy hoso-doko, ny mpanakanto rehetra mihitsy. Hiaro ireny indrindra no antompisian’ny « Brigade Anti-Piratage » na BAP, hanenjika ireo mpihinana ny hasasaran’ny hafa. Enjehin’ny lalàna ny fanaovana kapila mangirana hosoka na fivarotana azy ireny na ny fanjifana azy mihitsy aza. Mitrandraka tsy ara-dalàna ny sangan’asa voaaro izany izay mamono antoka ireo mpanakanto sy mpamokatra horonan-tsary. Raràn’ny lalàna ihany koa ny fanaovana dika mitovy sy mivarotra ny boky tsy nahazahoana alalana avy amin’ny tompony. Mahazo mametraka fitoriana soa aman-tsara eny anivon’ny BAP noho izany ireo izay mahita na iharan’ny trangana fanaovana hosoka. Mijanona ho azy ireo ihany ny fitoriana sy fijoroana vavolombelona natao ka tsy misy tokony hatahorana. Samia mijoro amin’ny fahamarinana mba hanjakan’ny filaminana eto Madagasikara ka hahafahantsika mandroso amin’izay fa efa ela loatra izay. Aza misalasala manatona ny biraon’ny BAP eny Anosy na toy ny inona na toy ny inona fisehoan’izany hosoka na piraty izany. Manana zo harovana ny mpanakanto, marary toa antsika hangalarana fananana ihany koa izy ireny ka aoka hifampiaro.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire