SocialTsidika

Rahoviana no ho resy ny hanoanana ?

Mahantra ny ankamaroan’ny Malagasy, hany ka na ny hanina ho haniny aza manahirana ny mitady azy. Tsy maintsy homana anefa aloha ny vava vao afaka miasa sy mihetsika ny vatana. Olona tomady sy feno hery anefa no ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena. Inona izany ny vahaolana ? Iza no tena tompon’andraikitra amin’izany ? Olona fito izao no matin’ny hanoanana tany amin’ny kaominina Androka, Distrikan’Ampanihy Andrefana. Namonjy niakatra ny kaominina ireo izay avy any antany lavitra mba hangataka fanampiana amin’ny ben’ny tanàna. Eo amin’ny 300 isa ny olona avy amin’ny fokontany maromaro tonga hangataka sakafo ireto. An-tenda ny ain’izy ireo ka izao sisa ny vahaolana hitany. Ny sasany aza maty teny an-dalana hizotra ny kaominina, ny sasany kosa rehefa tonga teo mihitsy vao maty. Inona no tena laharampahamehana eto Madagasikara ? Moa ve tsy ny aim-bahoaka ? iza no andrasana hiady amin’ny hanoanana ? Ny fiakaran’ny harin-karena malagasy no tanjona kanefa ny sakafo aza manahirana. Ho aiza ny firenena ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire