Faneva IMA hiverina ilalao miaraka ekipa BAREA
Nilaza ny lisitry ny ireo mpilalao handrafitra ny lalao farany amin’ny Ethiopie sy Niger ny mpanazatra Nicolas Dupuis androany. Fantatra tamin’izany fa iverina andrafitra indray ny BAREA ny kapiteny teo aloha Faneva Ima. Any Ethiopie araky izany izy, handrafitra indray ny ekipa nationaly. Lalao izay tanterahana ny 24 Martsa sy ny lalao ifandonana amin’i Niger ny 30 Martsa any amin’i Kianja Barikadimy.
