SportTatitra

Japon : Mpikatroka boxe avy any Maroc nikasa hanaikitra ny mpifaniana taminy nandritra ny lalao

Nihitsana ilay mpanao boxe marocain Youness Baalla tao amin’ny sokajy latsaky ny 91 kg nandritra ny lalao olimpika rehefa nikasa hanaikitra ny sofin’ilay mpifaninana taminy avy any Nouvelle-Zélande, David Nyika. Teo amin’ny fiodinana fahatelo ny nikasa hanao izany ity boxeur 22 taona ity. Nanatona ny sofina avia an’ity mpifaninana taminy izy sady niazona azy mafy teo amin’ny tànany saingy tafiala i David Nyika.Tsy nisy nahatsikaritra ity fietsika ity nefa na ny mpitsara teo amin’ny kianja na ireo 5 hafa teo ivelany. Tao aorian’ny lalao vao tsikaritr’ireo mpikarakara izany. Tamin’ny taona 1997 no nisy tranga toy izany nandritra ny fifaninana nataon’ilay Tompondakan’i Etats-Unis Mike Tyson amin’ny sy Evander Holyfield. Tamin’izany nefa dia nahavita nandrovitra ny sofin’ny mpifaninana taminy mihitsy i Mike Tyson.

Laisser un commentaire