SocialTatitra

France : Mitombo isa ireo biby fiompy any amin’ny « refuge »

Maro be ireo frantsay nanapa-kevitra ny hanangana biby fiompy vao nanomboka ny krizy ara-pahasalamana. Ankehitriny nefa dia any amin’ny « refuges » avokoa ny ankamaron’izy ireo izay efa hipoka nanomboka ny volana jona teo raha toa ka ny volana jolay no mitranga izany matetika.Miverina foana ny tantaran’ny fanariana biby toa izao rehefa akaiky ny fialàn-tsasatra sy ny vanim-potoan’ny hafanana. Mandrakitra ny isan’ny biby fiompy arian’ny tompony isan-taona mihitsy ireo fikambanana miaro ny biby ary nahatsikaritra fa tamin’ity taona ity no ambony indrindra izany taha izany. Nanomboka ny voalohan’ny volana mai teo dia nahatratra 10 600 ireo biby nirian’ny tompony noraisin’ny SPA mpiaro ny biby an-tànana. Mihoatra 7% amin’ny tamin’ny taona 2019 izany.

Laisser un commentaire