Etats-Unis: Tahaka ny ahoana marina izany hoe « Miami » ?
Tanàna iray any atsimo atsinanan’i Florida i Miami. Ivo-toerana matanjaka ara-bola sy ara-kolontsaina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy. Miami no nanana ny seranan-tsambo nisy “navires de croisières” voalohany eo amin’ny sehatry ny fizaha-tany ary azy avokoa ny ampahatelon’ny sambo maneran-tany amin’izany.
Nomena ny anarana hoe « Magic City » ihany koa izy noho ny fanehoana tontolo fety sy noho ny fananany kolontsaina marobe. Malaza maneran-tany noho ny hatsaran’ny morontsiraka izy saingy manana toerana manan-tantara sy tranom-bakoka mirakitra ny fahasamihafana ara-poko ao aminy. Ao anatin’izany ny Adrienne Arsht Center for the Performing Arts, Bass Museum, Frost Art Museum, Historical Museum of Southern Florida…
