République Démocratique du Congo : Inona marina moa ity « Ebola » ?
Anisan’ny tsimok’aretina miterika tazo arahin’drà eo amin’ny olombelona sy ny rajako sasany ity areti-mifindra ity. Tao amin’ny hopitaly iray avaratr’i Zaïre (République Démocratique du Congo ankehitriny) no nahitan’ny mpitsabo Ngoy Mushola, lehiben’ny sehatra ara-pahasalamana tao amin’ny faritra Bumba ity aretina ity voalohany tamin’ny taona 1976.
Raha ny fantatra dia ny ramanavy no nipoiran’ity aretina ity, indrindra irony karazany « Roussette d’Égypte » irony. Karazana ramanavy telo mantsy no nahitana hery fiarovana « Ebolavirus Zaïre » dia ny Hypsignathus monstrosus, Epomops franqueti ary ny Myonycteris torquata saingy tsy mbola ny tsimok’areina nefa ireo biby ireo.
Afaka mamindra mivantana amin’ny olombelona raha ny fanazavana. Ny kisoa kosa no biby mora andairan’ny Ebola, mitarika aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika ho azy ireo izany izay mety afangaron’ny olona amina aretin’ny taovam-pisefoan’ny kisoa hafa.
