Maurice : Hotontosaina ao an-toerana ny Africa Check
Hotontosaina ny volana oktobra izao ao amin’ny nosy Maurice ny fivoriana Africa Check. Raha tsiahivina ny Africa Check dia fikambanana panafricain miady amin’ny vaovao tsy marina sy ny « désinformation ». Manam-pahaizana sy fikambanana samihafa avy amin’ny kaontinanta no hivondrona ao Port-Louis mandritra izany ary hidinika manoloana ny hanamafisana ny ady amin’ny « désinformation ».
Nanamafy kosa ny tale mpanatanteraka ao amin’ny Africa Check, Noko Makgato fa io fihaonana an-tampony io dia hampisongadinana ny fironana, fikarohana ary ny fomba farany ampiharina hanoherana ny fanaparitahana vaovao diso sy mamitaka aty Afrique. Hifarana amin’ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpianatry ny asa fanaovan-gazety sy ireo matihanina amin’ny fanamarinam-baovao kosa ny fivoriana.
