ActualitésTsidika

Association Fanampy : Nizara fanampiana ho an’ny olona sahirana

Samy nananana ny fomba nankalazana ny fetin’ny Paska ny olona tsirairay. Raha ho an’ny fikambanana manokana dia ny fanampiana ny sahirana no fomba nanantanterahana izany.Ny alahady 09 Aprily 2023 teo no nanantanterahana izany. Anosy , Ampefiloha, Andavamamba, Ambodin’Isotry, 67ha, Anosipatrana, Anosibe , ireo ny toerana nanaovana ny asa fanasoavana. « Maro ny sahirana, maro no tsy manana fahafahana hividianana sakafo. Ao ireo izay tsy misy ankajo hanaovana intsony, voron-damba no eny amin’ny ka sarotra ny hijery izany fotsiny. Nitondra ny anjara biriky, izay kely nananana  izahay. Tanjona napetraka ny hizara izany ho an’ny olona izay tena hianjadian’izany fijaliana izany », hoy i Ranaivoson Erwan Elysé, filoha mpanorina ny fikambanana.

Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana « Jeunes Ambitieux de Madagascar » JAM, ka nahafahana namita ny adidy masina izany. Navitika tokoa ireo tanora tao amin’ny fikambanana nandritra ny hetsika natao. « Ny tanora no ho avin’ny firenena. Tokony hifanampy foana isika mba ahafahana manamaivana ny fijalian’ny sasany. Zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana tanora mavitrika ny vonona hitsinjo ny hafa izany. Mahavelom-bolo ny hetsika toy izao ary manosika ny tanora sasany hanao hetsika toy izao. », hoy i Kevin, tanora mpilatsaka an-tsitrapo ao  amin’ny fikambanana.

Tokony miara-misalahy hatrany isika malagasy mba hijery ireo olona tena sahirana, indrindra ireo izay hita fa tena mijaly amin’izao vanim-potoana izao. Mananana adidy lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ny tanora. Tsara raha mandray andraikitra foana izy ireo mba hitondra fanantenana indray ho an’ny olona izay efa latsaka an-katerana indrindra fa amin’izao fiainana efa miha sarotra izao.  Tsy misy mahavita tena izany eto ambony tany fa ny fiarahana no entina hanamaivana izany fahasahiranana izany.

Erwan RAN

Laisser un commentaire