ActualitésTsidika

Fambolena eto Madagasikara : Ahiana mafy ny tsy hisian’ny vokatra

Ny 80% amin’ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Midadasika ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, ary azo volena eo avokoa ny karazam-boly maro samihafa. Na tsy ampy aza ny masom-boly eto, dia miezaka manafatra izay tratra ny fanjakana. Ny hita anefa dia miha-mahantra ny mpamboly sy mpiompy. Faritra maro no tratran’ny tsy fahampian-tsakafo. Ny taom-pambolena 2020-2021 ity dia tsy ampy ny rotsakorana nanerana ny Nosy satria nahazo vahana ny hain-tany. Zara raha nilatsaka ny orana tamin’ny faritra maro. Tsy ny any amin’ny faritra atsimo ihany no tena maina tanteraka fa hatramin’ny sisin-tany antsinanana sy ny ampovoantany koa. Ny mpamboly vary no tena voa mafy satria ny 1/3 ny tany ihany no voavoly manerana ny Nosy. Na vary an-tanety na ny vary an-drano dia tsy nisy azo noraisina avokoa. Raha ny eto Antananarivo manokana dia maina i Betsimitatatra.  Maina toa izany koa ny ranon’Ikopa sy Imamba ary i Sisaony. Ny tanimbary rehetra izay miankina amin’ireo renirano ireo dia tsy nisy nahitana vary niakatra avokoa. Zara raha nisy vary miakatra.

Ny tany Menabe dia maina tsy nisy vary azo nampiakarina tao Dabara sy Ankilivalo. Toa izany koa ny tany Ankilizato izay isan’ny sompitra amin’iny toerana iny. Tanimbary an’hetsiny hektara no maina tsy azo novolena. Ity toerana ity nefa dia mamokatra vary in-teno isan-taona tany aloha. Tsy maintsy ho mafy ny mosary amin’ireo toerana ireo.

Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika izao nefa dia manerana ny Nosy dia maina ny tany, tsy misy ny orana, maty ny fambolena rehetra. Ny marina dia tompon’andraikitra isika rehetra, manomboka amin’ny fanjakana izay tsy misy vina mazava ka hatramin’ny isika rehetra mamotika ny tontolontsika. Ny rano dia mila fifehezana lavitr’ezaka, tsy vita indray andro, nefa ihany koa mamotika lavitra raha tsy hatao. Ny ala eto amintsika dia ringana tanteraka, tsy mitombina intsony izany hoe tsy mahalany ny alan’antsinanana izany. Efa lany sy ripaka ny ala. Ny antony dia tsotra. 90 % -n’ny Malagasy dia mampiasa kitay sy saribao avokoa handrahoan-tsakafo. Ny mpanao trano sy fanaka etsy andaniny. Nefa tsy misy na iray aza politika ialana amin’izany na anoloana izany hazo tapahina izany. Ny fambolena dia miankina daholo amin’ny rano nefa tsy misy fotodrafitrasa maharitra sy lavitrezaka.

Loza manambana ny firenena manontolo ity tsy firotsahan’ny orana ity. Ankoatra ny rano manodina ny herinaratra, mahatonga fahatapahn-jiro lavareny, maina ihany koa ny tanimbary, ary maro ny tsy vita ketsa vokatry ny tsy fsian’ny rano. Ahitana izany eny Avaradrano, Atsimondrano, Ambohitrimanjaka sy ny manodidina an’Antananarivo. Fotoana fanetsana ny volana desambra ho an’ny mpamboly vary. Efa nambolena ny ketsa saingy tsy azo afindra satria tsy misy ny rano ho an’ny tanimbary, ka maro ny simba, antitra ary maty mihitsy aza ny sasany. « Tsy maintsy mamerina mamafy ketsa indray raha vao tonga ny orana, nefa tsy fantatra mihitsy ny fotoana », hoy ireo tantsaha amin’iny manodidina ny Talata Volonondry, eny Avaradrano iny.

Tsy ny voly an-drano ihany nefa no potika sy mijaly amin’izany fa hatramin’ny voly antanety koa. Malazo am-pitsanganana ny katsaka ary misy bibikely mihinana azy koa. Mihorona ny raviny ary maina ny ankamaroany.

Efa nisy resaka ihany moa natao fa hisy ny fandatsahana orana artifisialy mba hahafahana manarina tsikelikely.

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire