ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Manampy betsaka ireo mpianatra eny amin’ny EPP ny fikambanana Ank’Izy

Efa manomboka ankehitriny ny hetsika ataon’ny fikambanana « Ank’Izy » na « Ankin’ny Hoavy Izy » ao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana Avaradrano izay hanohanana indrindra ireo mpianatra manerana ny EPP. Tontosaina ao amin’ny EPP Ambohinaorina izany.

Marihina fa efa miparitaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara ity fikambanana ity, ary indrindra ato anatin’ny Distrikan’Avaradrano. « Hanampy sy hizara an-kafaliana ny traikefan’ny mpikambana sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ho an’ny mpianatra kely kilasy faha 4 eo amin’ny EPP no tena tanjonay, tinay ny ankizy ary hita fa miainga amin’ireo no tena fanovana mahomby, raha kely dia efa mahazo ny fahalalana sahaza, dia azo antoka ny hoavin’ny firenena rahatrizay » hoy ny mpitarika ny Ank’izy ao Sabotsy Namehana. « Ny mpikambana rehetra dia monina manodidina ny faritra ny misy ny EPP iandraiketany avy, ka manampy ny mpiara-belona izahay amin’ny alalan’ireto ankizy manerana ny EPP rehetra ireto » hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana.

« Tsy mianatra ny ankizy rehefa sabotsy, ka soa ihany fa misy ieto tanora ireto manolo-tena tsy sandaim-bola hizara ny fahalalany ho an’ny ankizikely, zava-dehibe tokoa ny tahaka izao ary hirariana mba hitohy manerana ny EPP rehetra » hoy ny talen’ny EPP Ambohinaorina Sabotsy Namehana. Zava-dehibe tokoa ny fanoloran-tena avy amin’ny tanora tahaka izao, tsy ny mizara traikefa ihany mantsy no azo ao anatin’ny fikmbanana filatsahana an-tsitra-po tahaka izao, fa mahazo traikefa maro ihany koa. Irariana mba hitohy hatrany ny hetsika hampiakarana ny lentan’ny fanabeazana tahaka izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire