SocialTsidika

Faritra Vakinakaratra : Niroso tamin’ny fitsaboana ny aretin’omby ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana

Nandray ny andraikitra tandrify azy ny teo amin’ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana taorian’ny firongatrin’ny aretin’omby. Nandeha avy hatrany ny toromarika ny amin’ny hanaovana fandihadihana ireo omby marary. Nisy noho izany ny fitiliana nataon’nireo mpitsabo biby tao amin’ny faritra Vakinakaratra. Hita nandritra ny fakana singa ireo omby fa ny aretina « hémoparasite » no mahazo azy ireo. Fantatra nadritra ny fampiantsoana mpanao gazety nataon’ny teo amin’ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana fa tsy hitohy hatrany izany fitiliana sy fizahana fahasalamana ho an’ny biby izany. Marihina fa tsy nisy omby maty nandritra izany firongatry ny aretina izany saingy nihena am-pitoerana.

Tsihahivina fa anisan’ny niteraka resa-be teo amin’ny fiaraha-monina ny aretina mpahazo ny biby, indrindra ireo biby fihinana. Tsapa fa miteraka faty antoka ho an’ireo mpanjinjara ihany koa ny fiparitahan’ny aretina toy izao.

« Gaga ihany izahay raha nahita fa niha-mahia ny omby. Ny nahagaga dia tsy ireo omby vavy mifana ihany no tratran’izany aretina izany fa saika ny omby rehetra teo amin’ny manodidina. Ankasitrahana tanteraka ny Minisitera mpiahy nandray haingana ny fepetra » hoy i Jules, tantsaha avy any amin’ny faritra Vakinakaratra. « Noho isika olombelona izay tsy mitsinjo ny ampitso no mahatonga izao aretina isan-karazany mipoitra izao, avy amin’ny fanimbana ny tontolo iainana ihany. Toy ny aretina mpahazo ny olombelona ihany ny aretina misy eo amin’ny biby, misy vanim-potoana mapirongatra azy. Tsy misy intsony ny antony tokony hampihahihahy ny mponina rehefa mahazo fitsaboana ny omby » hoy i Dr Johary, mpitsabo biby.

Hitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Minisitera amin’ny fanampiana ireo vahoaka izay ihadidiany. Inoana fa izao no andraikitra tandrify dia ny fanampiana sy famaliana ny hetahetan’ny mponina. Nisy ihany koa ny fepetra noraisina ka hahato ny fivezivezen’ny omby eto Vinaninkarena, Betafo ary Faratsiho, izay faritra tena ahitana aretin’omby amin’izao fotoana izao » hoy ny tompon’andraikitra teo amin’ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana. Maro ireo mponina izay mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana, indrindra fa ny avy any amin’ny faritra Vakinakaratra. Tafiditra ao anaty velirano napetrakin’ny Filoham-pirenena mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny asa mendrika ho an’ny rehetra ny fanampiana ireo tantsaha izay misedra olana amin’ny asa fivelomany. Anisan’ny miantoka ny fampandrosoana eo amin’ny firenena iray ny fitsinjivona sy fiahiana manokana ny fidiram-bolan’izy ireo. Hery lehibe ho an’ny firenena maniry ny hiroso etsy andaniny ny fananana vahoaka matanjaka ara-pivelomana.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire