Alasora : Niato ny fanamboaran-dalana
Niato ny fanamboaran-dalana ao amin’ny Rond-Point Alasora. Nolavahana anefa ny lalana, ary tsy nisy ny famboarana. Tsy nisy fampahafantarana voarain’ny kaominina ny tamin’ny fanamboarana ity lalana ity.
« Miteraka fitohanana amin’ny fifamoivoizana ny tsy fahavitan’ity lalana eto amin’ny Rond-Point ity. Iray volana mahery anefa izay tsy nisy nikitika intsony izy ity. Miantso ny tompon’andraikitra izahay mponina fa tena mahatsiaro ho voahelingelina amin’ny fifamoivoizana » hoy i Nampoina, mponina ao Alasora. « Tsy nisy fifandraisana tamin’ny kaominina ny mpanao ny lalana talohan’ny nanamboarana azy. Tsy fantatray ny manamboatra azy na ny faritra na ny Ministera. Tokony hotohizana ny asa fa tena miteraka fanelingelenana ho an’ny mponina » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora.
Hita tokoa fa toerana maro eto Antananarivo no nahitana tranga toy izany. Lavahana ny lalana kanefa tsy misy fitohizany ny asa raha tsy fotoana maro taty aoriana. Misy andian’olona mangalatra anefa ny vatokely amin’ny lalana eo anelanelan’izany fotoana izany izay miteraka fatiantoka amin’ny mpanamboatra lalana. Tokony hisy foana ny fifampiresahana.
Nicole Rafalimananjara
