Émirats Arabes Unis : Voafidy ho filohan’ny COP28 ny Sultan al-Jaber
Nambara tamin’ny fomba ofisialy fa ny Sultan al-Jaber no ho filohan’ny COP28 izay hotontosaina ny 30 novambra hatramin’ny 12 desambra izao ao Dubaï. Tale jeneralin’ny orinasa « pétrolière émiratie Abu Dhabi National Oil Company » ny tenany ary minisitry ny indostria ao amin’ny Émirats Arabes Unis.
Voalohany teo amin’ny tantara kosa no nisy lehiben’orinasa, indrindra misehatra eo amin’ny « pétrolière » no filohan’ny COP. Raha tsiahivina nefa dia ny raharaha momba ny fiovan’ny toetry ny andro no tena dinihana mandritra io fivoriana io. Ny fandoroana ny « énergies fossiles » indrindra nefa no tena miteraka izany.
