ActualitésTsidika

Toetr’andro : Mila miomana sahady amin’ny mety fahatongavan’ny rivo-doza

Na dia teo aza ny andro ratsy sy ny rotsak’orana betsaka tamin’iny herinandro iny dia tsy mbola natahorana ny fisian’ny rivo-doza na dia efa maro aza ny tsaho izay nandeha. Vinavina kosa ny mety ho fisian’ny fiforonana rivo-doza tao amin’ny ranomasim-be Indianina. Mila miomana sahady kosa anefa ho amin’ity herinandro vaovao ity.

« Amin’ny herinandro manaraka (ity herinandro ity, NDLR), dia tokony arahi-maso akaiky ny fivoaran’ny rivodoza manodidina an’i Madagasikara. Satria vinavinaina hitoetra ireo fepetra manome vahana ny fivoarana rivodoza manakaiky an’i Madagasikara. Ka noho izany, ahiana mafy ny hisian’ny rivodoza mety hahakasika ny distrikan’ny Vohémar, Sambava, Antalaha, Maroantsetra, Toamasina, Vohibinany, Vatomandry, Antanambao Manampotsy, Mahanoro, Nosy Varika, Mananjary ary Manakara », hoy ny avy ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro.

« Isaorana hatrany ny Sampana mpamantatra ny toetr’ndro satria mampilaza hatrany izy ireo hahafahana miaro tena sy mitandrina dieny mialoha. Misy tsy fahampiana ihany kosa anefa ny vaovao izay ambaran’izy ireo izay tokony voaboasiny kely ihany. Ohatra amin’izany ilay andro ratsy izay tokony arahi-maso akaiky kanefa tsy voateny ao. Ny loza tsy mampilaza ka na ny andro ratsy aza dia efa mety hiteraka olana lehibe », hoy i Solofo, mponina ao Besarety.

Miteraka fahasimbana zavatra maro ny rivo-doza raha tsy miomana mialoha. Manana adidy amin’izany ny tsirairay, indrindra fa ireo any amin’ny toerana izay mety handalovany. Mety tsy ny zavatra rehetra no voaaro amin’izany hetsika hatao izany saingy mampihena ny risika fahasimbana betsaka izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire